Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy maintsy miasa

Tsy maintsy miasa

Misy manantena mana avy any an-danitra angamba ny sasany. Tsy fantany sa mody tsy tsapany fa “ny hatsembohanao no ihinananao”. Na ny mana avy any an-danitra nalatsak’Andriamanitra ho an’ny zanak’Israely aza, mbola tsy maintsy vao maraimbe ny fakana azy, manamarina ilay fitenana malagasy hoe: “tsy miaraka ny fandria-mafana sy ny valala manatody”. Izany hoe, arakaraka ny ezaka sy ny asa ataon’ny tsirairay ny vokatra azony. Tsotra ny tiana hahatongavana, sao variana manonofy eo Ramalagasy ka manantena ny anateran-kanina isan-trano. Tsy hahay hiezaka hanatsara kokoa ny fiainany avy fa miantehitra amin’ny fitondram-panjakana, izay manana ny andraikiny mazava.

Fotoana fanaovana paikady vaovao ny fiandohan’ny taona toy izao. Aoka ny tsirairay samy hahay hibanjina ny zava-bitany ny tany aloha sy ny taon-dasa. Hametraka vina sy tanjona vaovao ary hiezaka hanatratra izany avy. Hanova ny fomba tsy nety tany aloha, tsy ho voasariky ny fitaoman-dratsy, toy ny halatra sy ny kolikoly. Hahay hijery tsara ny endriny eo amin’ny fitaratra, handini-tena sy hanana fahasahiana hanova ny fanao tsy nety teo aloha. Marina tokoa fa tsara ny manonofy, saingy miankina amin’ny ezaka ny hahanterahany na tsia. Miainga any amin’ny olon-tsotra ka hatrany amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Na izany aza, tsy vitsy ny olona tsy te hanao izany fa zatra ny lalan-dririnina, kamo be tenda, tsy mahay afa-tsy ny hanambaka ny hafa, ny hitsentsitra ny hatsembohan’ny hafa. Eo koa ny tsy manao afa-tsy ny kabary tsara lahatra, ny kabary ambony vavahady, ireo sakaizan’ny mpandresy, tsy hikaroka afa-tsy ny tombontsoa manokana ka hivadika rahampitso rehefa iny fa tsy nahazo toerana na tombontsoa iny.

Njaka Andriantefiarinesy

 

Les commentaires sont fermées.