Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsaho ao anaty Facebook: mitondra fanazavana i Onja Tinondia

Tsaho ao anaty Facebook: mitondra fanazavana i Onja Tinondia

“Izahay tarika Onja Tinondia dia manao izao fanambarana izao: voalohany indrindra, faly miarahaba an’andriamatoa filoha Rajoelina Andry, amin’ny fahalaniany ho filoham-pirenena. Misy mantsy ny fanaratsiana miparitaka, izay lazaina fa izahay no nanao azy, ka tianay hitondrana fanazavana. Tsy izahay velively ny nanao io fanambarana io…”, hoy ny ampahany tamin’ny fanazavana nentin’i Onja Tinondia.
Raha iverenana ny tantara, nisy kaonty iray ao anatin’ny tambajotran-tserasera “Facebook” nanaparitaka fanambarana, nolaziana fa avy amin’ny anaran’i Onja Tinondia. “Tiako loatra i Madagasikara” ny anaran’io kaonty io. Amin’ny ankapobeny, milaza io fanambarana fa “tsy mankasitraka velively ny filoha vaovao satria betsaka ny ombiny very ary nihamafy ny kere amin’ny faritra atsimo”. Manginy fotsiny ny fanaratsiana maromaro ny filoha Rajoelina.
“Ny ombinay izay lazain’ilay fanambarana fa very dia mbola ao avokoa. Izahay mpankanto kosa, tsy ao anatin’ny sehatra politika fa mpiara-miasa amin’izay eo ka miasa izahay raha misy ny ilana anay hanafana lanonana. Fanirianay kosa ny hahavitan’ny lalana mankany aminay manomboka eo Ihosy hatrany Taolagnaro sy ny eo Andranovory hatrany Taolagnaro. Eo koa ny fampidirana rano madio fisotro ho anay any Androy, indrindra ny ao Ambovombe, izay faritra niahavian’ny tarika”, hoy hatrany kosa ny fanazavana nomen’i Onja Tinondia.
Eo amin’ny lafiny mozika kosa, hihato kely aloha i Onja ato ho ato. Ny antony, mitondra vohoka izy ary miandry zaza kambana amin’izao fotoana izao. Efa saika hanamarika ny fiverenany eo amin’ny tontolon’ny mozika ity mpanakanto ity ka namoaka ny hira “Tsara CV” tamin’ny taon-dasa, saingy nahazo fahasoavana ka hiatrika izany aloha.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.