Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tontolo iainana: ringana tanteraka ny rhinoceros fotsy

Tontolo iainana: ringana tanteraka ny rhinoceros fotsy

Maty ny volana avrily 2018 teo ny biby rhinoceros fotsy lahy eto ambonin’ny tany. Tao amin’ny valan-javaboahary Ol Pejeta conservancy any Kenya ny toerana nialany aina, ary i Soudan ny anarany, 45 taona izy. Nafindra tany izy, ny taona 2016, raha tany amin’ny Repoblika Tchèque hatrany tany aloha. Nitaiza an’i Soudan nandritra ny 10 taona mahery i Rtoa Ami Vitale ary nanatrika ny fialany aina tany Kenya izy. Niaraka taminy koa ny dokotera mpitsabo biby maromaro avy any Repoblika Tchèque.

Toy ny fifanandrifian-javatra, fa maizina ny lanitra, feno rahona nandritra ny fotoana nahafatesan’i Soudan ary avy ny orana avy eo. Nambaran’i Ami Vitale tamin’ny gazety iray any Etazonia fa mahagaga ny hanohizan’ireo mpamono biby an-tsokosoko, mahatonga ny karazam-biby ho ringana toy izao.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.