Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ho aiza isika? mamelon-teny raha te hamelon-tena

Taona 1960, nambara tetsy amin’ny vatomasina Imahamasina ny Fahaleovantenan’i Madagasikara… Taona 2019, mbola ito sy eto ihany isika ! Ny Malagasy miorim-ponenana any ivelany ka sendra mandalo eto aza, loa-bava fa mihemotra sy tsy misy fandrosoana i Madagasikara. Namela tarazo ratsy ny « fahazanatany ». Nifanindran-dalana amin’izay, toa nanjary tsy lalim-pandinihana intsony ihany koa ny Malagasy. Tsy marim-pototra ny dia…

Iainan-tsy tsapa, toy ny mandeha ho azy eny ny teny malagasy, indraindray isika alaim-panahy fa tsy tokony hisy olona tsy mahay ny teniny izany, hany ka tsy miraharaha na tsy mivaky loha izay mety ho fiantraikany any, na an-tsoratra io na am-bava. Amin’ny maha fampitan-kafatra azy fotsiny anefa, maro ny zavatra mety hifandiso ary mety hanova ny zavatra tiana hampitaina mihitsy. Ohatra, ny hevitry ny « manantona » sy ny « manatona »…

Aiza ho aiza moa ny sehatra hikirakirana ny lanjan’ny teny ? Indrisy fa ny mpanoratra sy ny « mpilona » amin’ny teny ary ny boky aman-gazety malagasy sisa tena mitazona ny ain’ity teny malalantsika ity. Amin’ny ankapobeny, tsy misy firenena mandroso sy manana ny fiandrianany anefa raha tsy mifototra amin’ny teniny aloha. Hoy i Di na Rahaingoson Henri : «  andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko » , midika izany fa rehefa ianao no ilain’ny vahiny, tokony hiteny ny fiteninao izy, ny eto amintsika anefa, ny mifanohitra amin’izany.

 Ny ankamaroan’ny fikarakaran-draharaha (taratasy ilaina, didy ifampifehezana, takelaka mirakitra toro na tondro samihafa…) eto Madagasikara, atao amin’ny teny vahiny avokoa ny ankamaroany… Eny fa na ny teny enti-miserasera andavanandro aza, zary mahamenatra antsika raha tsy asiana fifangaroana madinidinika amin’irony teny vahiny irony… Raha  tsy izany, tsy antsoina hoe avarapianarana na tsy nandia lakilasy. Mifampitsongoloka amin’ny fitsipika sy rafitr’izy ireny. Sendra misy fahadisoana na teny latsaka monja, indrindra amin’ireny tenin’ny mpanjanaka ireny, sarotiny ery isika ! Fa ny teny malagasy kosa, toa mandeha ho azy, tsy misy mpiraharaha na ahitana fahadisoana goavana ara-pitsipika na ara-kevitra aza. Ny fanafohezan-teny isan-karazany, tsy lazaina intsony. Valalan’amboa tokoa angamba ?

Soa fa mbola maro na tsy betsaka aza ireo mijoro sy miezaka mamelo-maso (na amin’ny masontsokona tokoa aza), manandratra sy mirehareha fa Malagasy manana sata, manana kolontsaina, manana teny. Inona moa ny tsy ho vitan’ny teny malagasy raha mitaha amin’ny teny vahiny? Matoa mbola tsy teny maty fa velona hatramin’izao izy io, midika izany fa mahalaza sy azo enti-miaina tsara ny tenintsika. Azo anaovana zavakanto tsara mihitsy, indrindra ny literatiora, izay ananantsika olomanga, reharehan’ny firenena mihitsy, raha tsy hilaza afa-tsy Rabearivelo, i Randja Zanamihoatra…

Mihasimba ny hasin’ny teny ary misy fiantraikany amin’ny sehatry ny literatiora izany ankehitriny. Zary tsy mahataitra sy fanalana andro ny atao hoe literatiora. Matetika aza, natao hampihomehezana sy andravahana lanonana an-dampihazo rehefa misy vanim-potoana na hetsika iray sisa izy io. Samy mampiadiady rima eo ny rehetra. « Mandeha ny mandeha », hoy ny fitenenana ankehitrio. Tsy miasa saina amin’izay hasarobidin’ny teny any fa rehefa miady ny mason-daomy dia efa ao izay. Ho aiza isika? Iza ny homen-tsiny? Ny mpanoratra sa ny mpamaky? Mbola tsy tratra aoriana anefa isika raha izao vao hiaraka hifanome tanana hikolo sy hikajy ity tenindrazana malalantsika ity, ny fitiavana ny teny mantsy no tena fitiavan-tanindrazana voalohany indrindra.

Narilala sy HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.