Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fihoaram-pefy, tsy fanarahan-dalàna: mpitsara 7, “greffiers” 3 nosaziana

Fihoaram-pefy, tsy fanarahan-dalàna: mpitsara 7, “greffiers” 3 nosaziana

Mitohy ny hetsika fanadiovana eo anivon’ny tontolon’ny fitsarana. Niakatra teo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM) ireo  tsy nanara-dalàna sy nihoa-pefy. Tao ireo voasazy sy voaroaka amin’ireo mpitsara sy mpirakidraharaha ary mpandraharaha ny fonja.

10 ireo mpitsara niakatra filankevi-pitsipi-pifehezana (Codis). Nahemotra ny momba ireo roa. Voatsara ny valo ary afaka ny iray. « Fito ireo mpitsara tsy maintsy nandraisana fepetra sy nosazina teo anivon’ny Codis », hoy ny minisitry ny Fitsarana, i Harimisa Noro Vololona, omaly tetsy Anosy. Ankoatra izany, samy voasazy ireo mpirakidraharaha fitsarana miisa telo niakatra Codis ary 23 kosa ireo mpandraharaha fonja ka nisy ny voaroaka amin’izy ireo raha mbola mitohy ny an’ny sasany.

Mbola miato amin’ny asany i Fanirisoa Ernaivo

Manampy ireo, mbola mihantona amin’ny asany amin’ny maha mpitsara azy i Fanirisoa Ernaivo, araka ny nambarany.

Ankoatra izany, notsiahivin’ny minisitra ny zava-bitan’ny minisitera tao anatin’ny enim-bolana nitantanany. Teo ny fanamboarana na koa ny fanavaozana sy ny fanitarana ny fotodrafitrasa toy ny fonja sy ny biraon’ny mpitsara. Anisan’izany ny any Vangaindrano sy ny any Moramanga. Teo koa ny ho an’ny eto Antananarivo amin’ny birao sy ny tamboho etsy amin’ny fitsarana Anosy. Ny nananganana ny rantsam-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) sy ny rantsana hiady amin’ny fanondranana antsokosoko hazo sarobidy. Anisan’ny lehibe indrindra sady nahafantarana ny minisitra Harimisa Noro Vololona koa anefa ny hetsika fanadiovana eo anivon’ny tontolon’ny fitsarana. Eo, ohatra, ny famerenana ny fanajana fitsipika, toy ny fanajana fotoana.

Nodiovina koa ny ao amin’ny ENMG

 Tsy vitan’izany. “Nisy ny lesoka sy ny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fifaninanana hidirana eo anivon’ny sekoly ENGM. Efa tafapetraka ny fitantanana sy ny rafitra hampangarahara ny fifaninanana, manomboka izao. Niantsoana manampahaizana ny lesoka tamin’ny lafiny informatika tamin’ny fanadinana. Efa voahitsy izany izao ka hisy fanaraha-maso ataon’ny tompon’andraikitra iray manomboka amin’ny fisoratana anarana ho an’ny mpiadina, mandalo amin’ny laza adina ahitana marika manokana ka hatrany amin’ny farany”, hoy ihany izy. Na izany aza, tsy mbola fantatra ny fotoana hanaovana indray ny fifaninanana hidirana eo anivon’io sekoly ho an’ireo hianatra ho mpitsara sy mpirakidraharaha (ENMG) io.  “Mbola hiova ny fitondrana ka miankina amin’izany ny ho tohiny”, hoy ny minisitra.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.