Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

COI: mila fanohanan’ny mpamatsy vola i Madagasikara

Niarahaba ny filoha vaovao ny Repoblika malagasy ny avy amin’ny COI, ny Kaomisiona iombonan’ny Nosy manodidina ny ranomasimbe Indianina. Nambaran’ny COI tamin’izany fa mila fanohanan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena i Madagasikara, fanoitra iray lehibe hampiakatra ny harinkarena sy hampaharitra izany eto amintsika.

Mifanampy, mifanaja amin’ny fiandrianam-pirenena ary indrindra, miara-miaro ny tombontsoan’ny mpikambana ny COI ka vonona hiara-hiasa amina sehatra maro amin’ny filoha vaovao malagasy. Efa misy izany, ohatra, amin’ny fiarovana ny fari-dranomasina, ny fifanampiana amin’ny fanatsarana ny jono, ny fifanakalozana eo amin’ny arotra.

Azo ambara anefa ankehitriny fa i Madagasikara no tratra aoriana amin’ireo mpikambana ao amin’ny COI nefa manana ny rehetra izay ilaina : ambony sy ambanin’ny tany, ranomasina, valan-javaboahary isan-karazany mahasarika mpizahatany, kolontsaina …

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.