Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Banky Iraisam-pirenena: mihena ny fandrosoana maneran-tany

Hihena ny fandrosoan’ny firenena eo amin’ny toekarena rehetra amin’ny ankapobeny maneran-tany amin’ity taona 2019 ity. Hihena ny fifanakalozana momba ny varotra sy ny fampiasam-bola iraisam-pirenena. Hitombo ny fifandirana amin’ny varotra.

Tsy mihetsika firy ny fitomboan-karena amin’ity taona 2019 ity. Araka ny tombantomban’ny Banky iraisam-pirenena, hiadana tsy araka ny vinavina ny fanondranana entana mikasika ny vokatra fototra, toy ny sakafo fototra, ohatra, sy ny toekarena ankapobeny. Hihena, toraka izany, koa ny fanafaran’ny firenena mahazatra ireo entana ireo. Vao mainka hitombo ny olana eo amin’ny fifanakalozana momba ny varotra ka hiantraika any amin’ny fihariana samihafa. Ho maro koa ny tsindry momba ny vola ho an’ny tsena lehibe ho an’ny firenena vao misandratra toy ny efa nisy tamin’ny taona 2018.

Zara raha 1,7% ny any Amerika Atsimo

Manodidina ny 2,9% ny salanisan’ny tahan’ny fitomboana maneran-tany. Tsy hihetsika manodidina ny 4,2% ny salanisan’ny tahan’ny fitomboana any amin’ny firenena vao misondrotra sy ny an-dalam-pandrosoana. Any Azia, manodidina ny 6 % ny fitomboan-karena amin’ity taona ity raha 6,3% ny tamin’ny taona 2018 ary 6,6% ny taona 2017.

Kaontinanta tena kely ny fitomboan- karena (sady nitombo kely) ny any Amerika Atsimo, vinavinaina  ho 1,7% amin’ity taona ity raha tsy nisy afa-tsy 0,6% ny taona 2018 ary 0,8% ny taona 2017.

Njaka Andriantefiarinesy

 

  2016 2017 2018e 2019p 2020p 2021p
Maneran-tany 2.4 3.1 3.0 2.9 2.8 2.8
   Firenena mandroso 1.7 2.3 2.2 2.0 1.6 1.5
   Firenena vao misondrotra sy an-dalam-pandrosoana 3.7 4.3 4.2 4.2 4.5 4.6
     Azia Atsinanana sy Pasifika 6.3 6.6 6.3 6.0 6.0 5.8
      Eoropa sy Azia Afovoany 1.7 4.0 3.1 2.3 2.7 2.9
Amerika Atsimo sy Karaiba -1.5 0.8 0.6 1.7 2.4 2.5
Firenena Arabo sy Afrika Avaratra 5.1 1.2 1.7 1.9 2.7 2.7
      Azia Atsimo 7.5 6.2 6.9 7.1 7.1 7.1
      Afrika atsimon’i Sahara 1.3 2.6 2.7 3.4 3.6 3.7

 

Les commentaires sont fermées.