Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tanàn-dehibe maro: tsy maharaka ny fitomboan’ny mponina ny fotodrafitrasa

Tanàn-dehibe maro: tsy maharaka ny fitomboan’ny mponina ny fotodrafitrasa

Ny fiandohan’ny taona 2000, nataon’ny mpikaroka amin’ny Oniversite eto an-toerana sy avy any Frantsa ny olan’ny tanàn-dehibe maro eto Madagasikara. Nisy koa ny mpianatra tamin’izany fotoana izany nanampy azy ireo. Olana goavana no efa navoitran’izy ireo noho ny fitomboan’ny mponina sy ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa.

Raha 25 % ny mponina an-tanàn-dehibe tany amin’ny taona 2005, tafakatra 36 % izany izao amin’ny ankapobeny, amina tanàn-dehibe maro. Tsy voafehy intsony izany fitomboan’ny mponina an-tanàn-dehibe izany, ankehitriny, araka ny fanadihadiana nataon’ireo mpikaroka. Mibaribary izany eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina : fokontany tsy misy fanavaozana, lalana miharatsy, mitohana lavareny ny fifamoivoizana, ny jiro sy rano tsy maharaka, tsena miparitaka hatreny amoron-dalana, sy ireo olana maro hafa. Raha fintinina, tsy maharaka ny fitomboan’ny mponina ny fotodrafitrasa an-tanàn-dehibe.

Tsy mifanaraka amin’ny filàna ny tetibola atokan’ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka ho an’ny kaominina. Tao anatin’ny 30 taona izao, zara raha misy 5 % ny fampiasam-bola amina tanàn-dehibe, indrindra ho an’ny fotodrafitrasa, toy ny lalana, sy ny fanitarana ny tanàna. Ireo rehetra ireo miteraka krizy ara-toekarena, saingy notakonan’ny krizy politika nifandimby.

Mitombo isan-taona ny tsy an’asa

Maro amin’ny orinasa mikatona tsy afa-miasa intsony, na nitotongana ny fihariany. Ny an’ny fanjakana, ohatra, ny Sirama, ny Jirama, ny Secren, sy ny maro hafa ; raha amin’ny tsy miankina indray, ny fitaterana, ireo orinasa fanodinam-bokatra maro, sns…  Noho ireo antony ireo ny mampitombo isan-taona ny tanora tsy an’asa. Izay koa ny mampihena ny fanjifana isan-tokantrano, tsy mahasarika fampiasam-bola ataon’ny mpandraharaha vahiny.

Nomarihin‘ireo mpikaroka ireo koa anefa fa tsy ampy fidiram-bola ny kaominina, ambonivohitra na ambanivohitra. Betsaka ny mponina tsy mahaloa hetra ; kely  ny haba azo avy amin’ny tsena. Tsy araka ny fidiram-bolan’ny mponina ny fisondrotry ny vidim-piainana. Koa manolo-kevitra ireo mpikaroka ireo ny hametrahana fandaharanasa matotra hampiakatra ny fari-piainan’ny mponina miaraka amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa vaovao. Andrasana amin’izao fitondrana vaovao izao izany fotodrafitrasa izany mba hampiakatra ny toekarena.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.