Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: toy ny filazan’ny mpiloka ny vola veriny sy ny tombony azony

Maneno ny filazana amina iraimbilanja ny vola azo tamina filokana raha  andaniny anefa toy ny manamaivana ny fitenenana amina ariary ny vola nafoy teo ampametrahana loka. Matetika moa teny vahiny no ampiasaina amin’ny fitanisana iraimbilanja (deux mille, vintsa, trois millions…) teny malagasy kosa no manavanana rehefa ariary no resaka. Izany hoe hoatran’ ny fitadiavana fampilaminan-tsaina no mitarika fifindrafindrana amin’ny fitenenana na ariary na iraimbilanja, manafalifaly tena ilay isa vaventy filazana ny vola miditra, manamaivana ao an-tsaina ny fangirifirin’ny fandanina amin’ny filazana azy amina ariary voafaritra ho isa ambany kokoa. Arak’izany toy ny famitahan-tena ihany ny fanaovana an’izany. Mifono fandrika toy izany angamba ny fanovana anarana ny mariky ny vola ampiasaina, fomba fampiasa atao famahanana fisondrotry ny vidi-piainana tsy ahenon’ ny vahoaka ny fangidiny tafahoatra. Tazana izany tany Europa teo rehefa nosoloina euro daholo ireo mari-bola nampiasain’ny firenena mpikambana ao amin’ny vondrona iombonana. Eto an-toerana koa dia nifanaraka amin’izany ny fanomezana vahana ny ariary ny fifehezana ny fanisam-bola, nifangaro hafetsena ihany ny fomba nanaovana an’izany tamin’ ny fandokandokafana an’izany ho fiverenana amina fitanisana tena malagasy izay iarahana mahafantatra. Niarahana nitelona ny tseroka, ary tsy dia nanaitra firy raha tsy iny nitontona any amin’izay tsy izy ny lanjan’ny vola malagasy, ary sandan’izany nisondrotra nisavoan-danitra ny vidi-piainana. Nohon’ny fahazaran-dratsy amin’ny fifandimbiasana ny ariary sy iraimbilanja dia tratran’ny sangodim-panina ihany ny maro, tsy niraika firy talohan’ny tsy fisin’ny vintsa vidiny intsony. Ny fitondrana avy moa efa nahatsikaritra fa na ny iray alina aza efa tsy mahavita firy ka nanapa-kevitra hanatonta ny vola roa alina. Mbola maro ny olona mametraka ahiahy amin’iny vola taratasy roa alina iny, tsy mety zatra ny mponina nohon’ny tsy fanarahan’ny fisondrotry ny fidiram-bola amin’ny fahamoramoran’ny fivoahany avy ao am-paosy. Eo ampiandrasana fisondrotana faobe ny karama mbola heno miresaka ny fitanisana an’izany amina million, ahiahiana anefa ny fikikin’ny fisondrotan’ny vidi-piainana amina ariary tsikelikely ny tombony avy amin’ireo million ireo.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.