Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Volley-ball – «CCCOI 2019»: tsy mandray anjara i La Réunion

Volley-ball – «CCCOI 2019»: tsy mandray anjara i La Réunion

Horaisin’i Madagasikara, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe indianina, ho an’ny ekipa tompondaka (CCCOI 2019), taranja volley-ball. Hotanterahina etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina izany, ny 3 ka hatramin’ny 10 febroary, ho avy izao. Tsy afaka mandray anjara, amin’ity ry zareo Reonioney. Antony, efa nanambara izy ireo fa tsy hifaninana amin’ity CCCOI ity intsony, ny taona 2015, izay efa nanaovany taratasy ofisialy.

Nanapa-kevitra indray anefa izy ireo, tamin’ity ka nilaza fa hiverina hifaninana. Tsy mbola nisy anefa ny filazana izany, tamin’ny fomba ofisialy, nalefan-dry zareo any amin’ny tomponandraikitra. Araka izany, tsy mbola ao anatin’ireo handray anjara ry zareo, amin’ity. Hangotraka ny fihaonana satria hisy ekipa 11 eo amin’ny sokajy vehivavy raha 12 ny eo amin’ny lehilahy. Hanana solontena efatra avy ny Malagasy, eo amin’ireo sokajy roa ireo. Tsiahivina, fa feno 25 taona ankehitriny ity fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe indianina, ho an’ny ekipa tompondaka ity, ka hiavaka no ho izay efa nisy hatramin’izay.

 

Tompondaka

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique