Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tenisy – Amboaran’i Afrika Aostraly: nafana ny andro fahatelo, isam-bondrona

Tenisy – Amboaran’i Afrika Aostraly: nafana ny andro fahatelo, isam-bondrona

Niditra tamin’ny andro fahatelo teo amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika Aostraly, omaly, ireo mpifaninana malagasy miatrika izany any Namibia. Fandresena 3 no teo am-pelatanan’ny

Malagasy rehefa avy niady ny tsirairay, Fihaonana izay nifanandrinan’izy ireo tamin’ny ekipan’ny Lesotho sy Namibia ary Maorisy. Mitombo hatrany ny traikefa amin’izao andro alohan’ny farany izao, raha ny nambaran’ireo mpifaninana. Tsy mbola tapitra hatreo anefa ny ezaka fa hotohizana hatramin’ny farany. Ny tanjona dia ny hahazoana medaly volamena maro sy ny hampisongasina mihoatra amin’ireo mpifaninana hafa ary ny hahatsara toerana an’i Madagasikara manerana an’i Afrika.

Marihina fa rahampitso 15 janoary no hifarana ity fifaninanana tanterahina any Namibia ity ary amin’izany no hanatanterahana ny lalao famaranana eo amin’ny fifaninanana isam-bondrona.

 

Mi.Raz

 

Valin’ny lalao, omaly 13 janoary 2019

U14 Lehilahy
Madagascar vs Lesotho 2 -1
-Olon-tokana 2: Rakotomalala Mahefa vs Kamohelo Khetisa 6/0 6/0
-Olon-tokana 1: Rakotomalala Finoana vs Khathe Mathibela 2/6 4/6
-Olon-droa: Finoana – Mahefa vs Kamohelo / Mathibela 6/4 6/3

U14 Vehivavy
Madagascar vs Namibie 3 – 0
-Olon-tokana 2: Razakaniaina Maholy vs Sytisha Goagoses 6/1 6/0
-Olon-tokana 1: Rakotoarilala Randy vs Raica Coecho 6/0 6/0
-Olon-droa: Rasendra Miotisoa sy Razakaniaina Maholy vs Elze Stears et Raica Coecho 6/0 6/0

U16 Vehivavy
Madagascar vs Maurice 3 – 0
-Olon-tokana 2: Nomenjanahary Safidisoa vs Ramasamwy Malika 6/4 6/4
-Olon-tokana 1: Ranaivo Mialy vs Sarah Introcaso 6/3 6/2
-Olon-droa : Ranaivo Narindra et Nomenjanahary Safidisoa vs Sarah Introcaso et Chiara Li Yaw Hay 6/1 6/2

U16 Lehilahy
Madagascar vs Namibie 3 – 0
-Olon-tokana 2: Rasendra Fenosoa vs Georges Low 6/1 6/1
-Olon-tokana 1: Ranaivo Toky vs Connor Van Schalkwyk 6/1 6/3
-Olon-droa : Toky sy Fenosoa vs Low/Van Schalkwyk 6/3 7/5

Les commentaires sont fermées.