Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpanohitra izay tsy mahazo toerana…  

Mpanohitra izay tsy mahazo toerana…  

Arahaba soa, arahaba tsara… Ranolava ny fiarahabana ny filohan’ny Repoblika vaovao: avy any ivelany, indrindra ny avy eto an-toerana. Amin’izany, samy mitanisaisa fiaraha-miasa, mamisavisa izay tokony hatao miaraka. Tsy misy maharatsy izany.

Aiza ho aiza amin’izany ireo hoe mpanohitra? Indrindra ireo namisavisa ny mety hisian’ny korontana, adilahy politika… Ny hamisavisana ny ratsy mba hiavian’ny soa? Inoana sy antenaina fa haharitra filaminana, fa tsy ho am-boalohany ihany.

Tsy hisy mpanohitra tokoa ve? Na hitovy fijery sy iray lalana avokoa ny rehetra… « Mpitondra mbola tsy niasa kosa ve? », hoy ny sasany; « Avela hiasa hifanatrehana… « , hoy, angamba, ny hafa. Na izany aza, ny foto-kevitra no tokony hitondra ny fanoherana.

Tonga amin’izay adihevitra ny amin’ny tsy fitoviam-pijery izay ve ny mpanao politika malagasy? Na ny maro aminy… Foto-kevitra sy vinam-piarahamonina ary fandaharanasa amin’izany no mitondra amin’ny fanohanana na fanoherana.

Amin’izao, na izay faran’ny nifanao atsimo sy avaratra amin’ny fomba fijery hatramin’izay aza, milaza tena ho manohana sy vonona hiara-kiasa. Nahoana? Tsy mahagaga, mbola ny toerana sy izay azo isarangotana amin’izany aloha no mahamaika.

Rehefa vita eo ny fizarana andraikitra, na izay heverina ho nitovy fijery amin’ny tena hatramin’izay aza: mety hanome lamosina, sanatria. Mbola ho izany ihany ve ny fanaovana politika eto Madagasikara? Tsy mba hisy izay fiovana sy fanovana.

Izay rehetra tsy mahazo seza no hoe lasa mpanohitra? Amin’izany, mbola fitadiavan-tseza aloha ny fanoherana. Rehefa tsy hita izay mangirana amin’izany, mivadika ho zavatra hafa amin’izay: mety ho tonga amin’ny tsikera befahatany, fandravana…

Mba hisy fivoarana amin’izay ve ny fanaovana politika? Ny tena mahay, ny toerana no mitady azy fa tsy izy no mitady toerana; tsy hoe voatery hanohitra rehefa tsy nahazo toerana; tsy mpanakorontana sy mandrava ny hoe mpanohitra…

Rafaly Nd.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique