Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Minisitra toy ny ahoana no andrasana ?

Minisitra toy ny ahoana no andrasana ?

« Olona mahay sy mahalala ny resaka fanatanjahantena no tokony hipetraka eo amin’ny toeran’ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena. Tsy tokony ho vaovao amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena izay hipetraka raha tena te hahita fahombiazana, eto an-toerana ary indrindra eo amin’ny lafiny iraisam-pirenena. Tsy vitan’ny mahalala fotsiny ny fanatanjahantena anefa fa mila tena manao sy mikatroka mihitsy izay miniistra ho eo »

 

“Olona tia fanatanjahantena no tokony ho minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena. Vonona ny hampisongasina ny fanatanjahantena eto Madagasikara. Tsy hitanila na hihaino faneren’iza na iza fa vonona hampanjaka ny marina. Afaka hisolo tena antsika manerana izao tontolo izao satria ny minisitra no masoivoho hisolo tena ny mpanao fanatanjahantena Malagasy, tokony ho fitaratra tsara eo amin’ny lafiny teknika sy taktika”.

 

Nangonon’i Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.