Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

MaFB: vonona hanohana ny filoha vaovao

MaFB: vonona hanohana ny filoha vaovao

Nanao fanambarana ny Mpisehatra amin’ny fahasalaman-bahoaka (MaFB) ny faran’ny herinandro lasa teo, resy lahatra izy ireo fa hitondra antsika ho any amin’ny fampandrosoana mifanaraka amin’ny hetahetan’ny vahoaka ny safidin’ny vahoaka malagasy nandritra ny fifidianana ho filoham-pirenena. Anisan’ny nanao fampielezan-kevitra nanohana  ny kandida faha-13 sy nivoy ny paikady IEM ny MaFB, singanina amin’izany ny velirano faha-5 sy faha-9 momba ny fahasalamam-bahoaka sy ny faha-2 maneho ny ady amin’ny kolikoly. Hitondra anjara biriky amin’ny fanatontosana ny fanohanana ny MaFB, amin’ny maha fivondronan’ny matihanina amin’ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka  ny mpikambana. Mahafantatra ny zava-misy ao amin’izany sehatra izany, izy ireo. Efa nahavita nandrafitra tolo-kevitra mafonja matotra azo tanterahina avy hatrany ny MaFB. Vina sy fanamby ho an’ny fahasalamam-bahoaka 2019-2023 ny anarany ary natolotra hankatoavin’ny filoha vaovao.

Singa iray ao anatin’ny vina sy fanamby ho an’ny fahasalamam-bahoaka ny vonjy fanamaivanana ny sosialim-bahoaka eo amin’ny fahasalamana hotontosaina sy hahazoana vokatra ao anatin’ny enim-bolana voalohany, araka ny fanazavan’ny dokotera tomponandraikitry ny MaFB, Randriatsimandry Damoela, manampahaizana amin’ny fahasalamam-bahoaka, teny Analakely.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.