Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kempo: mbola hitohy ny fiofanana ho an’ny mpitarika mpanampy

Kempo: mbola hitohy ny fiofanana ho an’ny mpitarika mpanampy

Na teo aza ny fihemorana, mbola hitohy ny fiofanana ho an’ny mpitarika mpanampy, amin’ny taranja MMA sy Kempo. Noho ny fisian’ilay fanomezam-pahefana ny filoha Rajoelina dia ahemotra ny asabotsy 26 janoary 2019 indray ny tapany faharoa amin’ilay “École de Cadre” izay saika hatao ny 19 janoary izao. Ao amin’ny efitrano laharana fahatelo, ao Mahamasina ihany no hanatanterahana izany. Manasa ireo klioba mpiangaly na tsia ny taranja fanatanjahatena Kempo sy MMA, ny mpikarakara mba ho tonga hanatevin-daharana mandritra izany. Marihina fa mbola hamafisina amin’io andiany faharoa io ny fahalalana ankapobeny amin’ny « Anatomie », « physiologie », fanazaran-tena ary ny fahalalana mifandraika amin’ny filaminana. Eo ihany koa ny “traumatologie”, “blessures”, “KO”,  “Dopage”, “Gestion de la violence” ary ny “incivilité”.  Ho faranana amin’ny fiarahabana tratry ny taona ho an’ny rehetra izay tonga amin’io ny fampiofanana.

« Mino aho fa mbola hafana ny adihevitra ary handray sy hampihatra ireo lesona hozaraina aminy ireo mpandray anjara satria tena zava-dehibe tokoa ary fanabeazana no tiana ampitaina sy tokony ho hita taratra ka antenaina fa ho tafapaka any amin’ny mpanao sy mpiangaly Kempo sy MMA », hoy ny fanazavan’ny filohan’ny MMA sy Kempo eto Madagasikara, Rakotondriana Parfait. Tsiahivina fa amin’ny faramparan’ny volana febroary no andiany fahatelo sady famaranana ity fampiofanana ity ary hiroso amin’ny fampiofanana ny mpitarika indray rehefa vita izay.

 

Mi.Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique