Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Tanterahina manomboka anio ny hetsika fanaovam-baksiny miaro amin’ny kitrotro  miaraka amin’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ary haharitra hadimiana. Eo anivon’ny distrika 25 ao anatin’ny faritra 13 eto Madagasikara no hanaovana ny asa noho ny fisian’ireo trangana aretina kitrotro tamin’ny toerana maro. Tohin’ny fanaovam-baksiny efa notontosaina teto Antananarivo sy ny manodidina, nandritra ny volana oktobra sy novambra izao hetsika izao. Ny zaza rehetra 9 volana ka hatramin’ny 9 taona no tsinjovina manokana ary tanjona ny ahavitana farafahakeliny vaksiny ny 95% amin’izy ireo.

Hisitraka ny hetsika ny distrika 41 hafa, amin’ny volana febroary ary ny distrika 48 ambiny amin’ny volana aprily. Ambatondrazaka, Amparafaravola, Moramanga, Toamasina I sy II,
Maevatanana, Marovoay, Mahajanga I, Antalaha,  Morondava, Ambatolampy, Antanifotsy, Antsirabe I sy II,  Ambositra, Fianarantsoa I, Toliara I, Tsiroanomandidy, Arivonimamo,
Ambohidratrimo, Andramasina, Manjakandriana, Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano, Avaradrano ny toerana hanombohana ny fanaovam-baksiny faobe.

Les commentaires sont fermées.