Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

HITSY TORAKA: izay namana ihany!

Ao anatin’ny fotoana fandinihina lalina, izay hitantana ny minisitera, amin’izao fotoana izao, ny tontolon’ny fanatanjahantena malagasy. Samy mamadibadika, izay mety sy tena manana ny fahaiza-manao, amin’izany ireo tomponandraikitra isanisany. Jerena ambony, jerena ambany, sao diso fiantefa ny safidy ka ho toy izay efa lasa no hitranga, izay vao hanenina. Fomba iray efa mahazatra kosa anefa ny fitsinjovana ireo namana sy sakaiza, hatrizay. Na hita aza, fa tsy ao amin’ny fari-pahaizan’ilay olona dia raisina ihany satria namana, ihany. Ny an’ny sasany aza moa, tsy misahiran-tsaina, amin’izay fampandrosoana ny fanatanjahantena izany fa ny hahatafidirana, ho mpiasam-panjakana ireo iray tam-po sy havana akaiky, no tena imasoany.

Mihazakazaka, mitady ny fomba rehetra, hijanonana amin’ny toerany hatreto ireo mpitantana fanatanjahantena. Tsy mieritreritra akory ny hanome toerana ireo, nianatra momba izany, fa ny hifikitra sy hitady irika hihazonana seza, ny laharam-pahamehana. Tsy mahagaga raha mivaralila ny asa ao amin’ny minisitera, satria namana tsy mahay na inona na inona no ao.

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.