Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hiraitra: hisantatra ny kaonseritra klasika

Hiraitra: hisantatra ny kaonseritra klasika

Tsy niandry ela fa mitohy, avy hatrany, amin’izao fiandohan’ny taona izao, ireo hetsika tanterahin’ny fikambanana Madagascar Mozarteum ho fanomezan-danja sy fampiroboroboana ny mozika klasika, eto amintsika. Tonga amin’ny andiany faha-97, amin’ity volana janoary ity, ny “Kaonseritra klasika amin’ny mitataovovonana”.

Toy ny mahazatra ireo mpanaraka izany, etsy amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) etsy Analakely, ny fotoana, ny alarobia antoandro izao. Inoana sahady fa hiavaka ity fanokafana ny taona amin’ny kaonseritra klasika ity. Vondrom-peo mety ho vaovao amin’ny sofin’ny maro, saingy tsy vao sambany no hiaka-tsehatra ary efa manana ny maha izy azy, ny Hiraitra.

Izy ireo no haneho ny kanto avy amin’ny aingam-panahin’i Guiseppe Verdi, ao anatin’ilay “opéra” mitondra ny lohateny hoe “Aïda” sy “Radamès”. Noforonina tamin’ny volana desambra 1871 ity “opéra” ity ary efa nitety firenena maro, na taoriana kelin’ny namoronana azy, na taty aoriana sy amin’izao andro iainantsika izao. Marihina fa nahavory olona enina alina mahery ny fampisehoana ity “opéra” ity, tany Frantsa, tamin’ny taona 2010.

Landy R.

Les commentaires sont fermées.