Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: ny lalàna fifehezana ny fahaiza-miaina fitandrovana ny fiarahamonina

Any anaty akata setrasetra sy fampiasana hery no manjakazaka. Eo anivon’ny zavaboahary rehetra ny olombelona irery no nanan-kevitra hikaroka fomba ho fandaminana an’izany ho fiarovana ny zon’ny rehetra eo amin’ny fahafahan’ny tsirairay hiezaka ho fazahony sy fisitrahany ny anjara masoandrony. Ireo fepetra miaro ny zon’ny tsirairay sady mitandro ny filaminana eo anivon’ny fiarahamonina no atao hoe lalàna mifehy ny rehetra. Ny mponina rehetra olom-pirenena no mitambatra ao amin’ny vondrona voalaza ho vahoaka izay loharano ny hevitra momban’ny lalàna heverina tokony ifehy. Miova hatrany manaraka ny fandrosona ny toetr’andro iainana, noho izany tsy ilaozan’ny filàna fanitsina, fanitarana sy famoronana arak’izany ny sehatra misy ny lalàna. Ny Antenimierampirenena, no miandraikitra an’izany adidy izany amin’ny anaran’ny vahoaka amin’ny maha solontenan’ny olom-pirenena tsy akanavaka azy.

Tsy hita ho lazaina ho miavaka amin’ny fomba mahazatra ao anatin’ny tontolobe fanaovana pôlitika ny fihetsika hita matetika ao amin’ity sehatry ny solombava-bahoaka ity, tsy afaka atao hoe lapan’ny tena fahadiovana

arak’izany. Na ny momban’ny solombava-bahoaka na mikasika ny fanaovana pôlitika amin’ny ankapobe dia mila fanadiovana sy fanitsina mba afahana hiatrika an’izany tena hoe fampandrosona izany.

Ho fanaovana an’izany dia afaka heverina fa tsy misy fotoana tsara afaka araraotina toy izao fisantarana fehi-potoana izao nohon’ny fiakarana filoha vaovao eo amin’ny toeram-pitantanana. Fomba fampisehona ny fahavonona sy fanapahan-kevitra anaovana ezaka fanadiovana toy izany tsara angamba raha atomboka amin’ny fifidianana an’ireo depiote handimby ao amin’ny Antenimiera. Ho fanatanterahana an’izany tsy maintsy misy moa ny fanalavam-potoana mifehy ny fotoam-pahefan’ireo eo ankehitriny ary ny Filohampirenena no manapaka an’izany. Angamba hisy mpifendro hilaza fa mirona any amina fitondran’olon-tokana izany, nefa tsy tokony atao anakana ny fanatanterahana adidy mendrika efaina ny fivovoazan’ny mpanakora eny amin’ny sisiny. Ny kiakiaka ateraky ny fangirifirina tsy misakana ny fanasana vay mba tsy ampihanaka ny nana manodidina azy. Iarahana manaiky angamba fa miankina amin’ny fomba mahafa-po eo amin’ny fifiadanana azy no mahefa ara-drariny eo am-pikarohana ny rariny tombotsoan’ny vahoaka mpifidy ny olom-boafidy.

Léo Raz

 

 

 

Les commentaires sont fermées.