Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fimmar: “Miandrandra ny IEM ny tanora”

Fimmar: “Miandrandra ny IEM ny tanora”

« Nisedra olana momba ny asa ny tanora, indrindra ireo nahavita fianarana… Iandrandrana ny vahaolana entin’ny IEM, hialan’ny tanora tsy an’asa ao anatin’ny fahasahiranana lalina izao fahalanian’ny filoha Rajoelina hitondra ny firenena izao. Sambany teo amin’ny tantara ny nisy filoham-pirenena nahasahy nilaza fa hanao velirano amin’ny vahoaka, amin’ny fanatanterahana ny vinanasa hataony”, hoy ny mpitarika ny Fikambanana mpitolona miaraka amin’i Andry Rajoelina  (Fimmar), Ndremitsara Jean Baptiste Tarzan, ny asabotsy teo teny Tsimbazaza. Nanteriny fa anisan’ny lesoka teto amin’ny firenena ny tsy fananana kolontsaina ahazoam-bokatra ka  nahatonga ny filoha vaovao nametraka ny velirano, hialana io kolontsaina tsy hahazoam-bokatra io eto amin’ny firenena. Naneho fahavononana ny hifanolo-tanana amin’ny mpanorina ny IEM ny Fimmar ny amin’ny fanatanterahana ny asa ao anatin’ny vina sy ny velirano miisa 13, araka ny mifanandrify amin’izy ireo, ho amin’ny politikam-pampandrosoana ny firenena. Tsy nohadinoin’ny fikambanana ny niarahaba ny filoham-pirenena Rajoelina, ary nankahery azy noho ny fanaovan’ny ny ainy tsy ho zavatra. “Hahavita be eo amin’ny adidy aman’andraikitra nankinin’ny vahoaka aminy”, hoy ihany izy.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.