Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fahalanian’ny filoha Rajoelina: nankasitraka ny vahoaka mpifidy ny « Groupe Berthin »

Fahalanian’ny filoha Rajoelina: nankasitraka ny vahoaka mpifidy ny « Groupe Berthin »

Nizara nofon-kena mitam-pihavanana ho an’ireo vahoaka manamorona ny lalam-pirenena fahafito (RN7), ny faran’ny herinandro teo tetsy Andrefan’Ambohijanahary ny « Groupe Berthin » sy ny Tanora miandrandra ny ho avy (TMH) ary fikambanana maromaro. « Fisaorana ireo vahoaka nifidy ny filoha Rajoelina izao hetsika atao izao sady fifampiarahabana noho ny taona vaovao ary koa hiarahabana ny filoha vaovao… », hoy ny loholona Randriamihaingo Berthin. Notsiahiviny fa hiantsoroka adidy mavesatra amin’ny hitantanana ny firenena ny filoham-pirenena vaovao ka vonona izy ireo ny hanome tanana sy hiara-dia aminy hahatanteraka ny velirano nampanantenainy. « Hijery ny fampandrosoana miaraka  ho an’i Madagasikara, indrindra fa ny aty Atsimondrano isika manomboka eto… Anisan’ny tombony lehibe ho anay ny fanorenana ilay tanana vaovao – Tanamasoandro. Tanora vonona ny filoha ka vonona izahay ny hifanohana aminy amin’izany », hoy ihany izy.

Tsiahivina fa solontenan’ireo vahoaka manamorona ny RN7, maherin’ny 5 000 ny nisitraka izany nofon-kena mitam-pihavanana izany.

Synèse R.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique