Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antananarivo: hiato ny orana, hiakatra ny maripana

Antananarivo: hiato ny orana, hiakatra ny maripana

Hiato mandritra ny roa andro ny orana eto amin’ny faritra afovoan-tany ary hiverina indray, manomboka ny alarobia, araka ny fanazavan’ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro eny Ampandrianomby, omaly. Hiakatra kosa ny maripana ambony indrindra ka hahatratra 28° C eto afovoan-tany raha 32°C ho an’ny ilany atsinanana raha 34°C ho an’ny tapany andrefana. Ho an’ny tapany atsimon’ny Nosy, hanonja be ny ranomasina ka entanina ireo mpiandriaka ho mailo manomboka eo amin’ny morontsiraka Toliara hatrany Vangaindrano.

Tsy mbola misy fiforonana rivodoza ahina ao anatin’ny telo andro ho avy.

Nanazava ny teknisianina fa zavatra mpiseho mahazatra ny fiarahan’ny tafiotra sy ny orambe toy izay nitranga teto Antananarivo, ny faran’ny herinandro teo. Vokany, feno rano avokoa ny arabe ahitana lavaka ary sahirana ny mpandeha an-tongotra tsy hita intsony ny hodiavina.

Zava-misy miverina hatrany isaky ny mirotsaka ny orana eto Antananarivo izany.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.