Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andapa: miroborobo ny fiompiana trondro marakely

Andapa: miroborobo ny fiompiana trondro marakely

Karazan-trondro tsy hita raha tsy eto Madagasikara ny marakely, manana anarana siantifika hoe paratilapia polleni. Tena ahitana azy ny renirano rehetra any amin’ny faritra avaratr’i Madagasikara. Afaka miaina amin’ny toerana manana maripana manomboka 12°C sy ny mihoatra, manana haavo 1.500 m. Miloko mainty ity trondro ity, sady ahitana pentina mangirana toy ny manga, mahatonga azy antsoina hoe marakely. Mirefy hatrany amin’ny 28 sm ny halavan’ny trondro lahy. Mihinana ny zava-drehetra hitany ny marakely, hatramin’ny trondro madinika.

Zaraina maimaimpoana

Sokajin’ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny tontolo iainana (IUCN) ho biby marefo ity trondro ity, ary anisan’ny tena atahorana ny fahasimban’ny toeram-ponenany, ny fihotsahan’ny riaka. Manoloana izany, manao ezaka manokana ny Fikambanan’ny mpiompy zana-trondro tsy miankina any Andapa (APPA) amin’ny fiompiana azy anaty dobo. Nambaran’ny filohany, i Guy Tam Hyock, fa zarain’ny fikambanana maimaimpoana amin’ny tantsaha mpiompy trondro ny zanaka marakely. Fepetra takina amin’izy ireo, ho tambin’izany ny fandrotsahana ny 25%-n’ny trondro ompiany any anaty renirano.

Loharanom-baovao: Conservation international

Njaka A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique