Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Zafmihasi: « Aoka tsy hofitahin’ny mpanolotsaina »

Zafmihasi: « Aoka tsy hofitahin’ny mpanolotsaina »

Manao sesilany. Niarahaba sy nirary soa ny filoha Rajoelina  ny Zanaky ny agnarandrain’i Fandriana mivondrona ho fampijoroana ny hasin’ny firenena  (Zafmihasi), tarihin’ny filoham-boninahitra, Rasolomampionona Hasimpirenena. Nanafatrafatara ny mpitondra vaovao anefa izy ireo. “Ho filoha fatra-panaja ny lalàna sy hahay hitsinjo ny vahoaka ary ho saropiaro amin’ny fiandrianan’ny firenena miaraka amin’ireo soatoavina mampiavaka ny Malagasy anie ianao. Hikatsaka ny soa iombonana ary aoka tsy hofitahin’ny mpanolotsaina nofidinao”,  hoy ny filohan’ny fikambanana, Andrianirina Justin, omaly tetsy Manakambahiny.

Nitodika amin’ireo mpanao politika sy ireo maneho hevitra amin’ny haino aman-jery izy ireo avy eo ka nilaza fa mety handrora mitsilany ihany izy ireny. “Aoka hatsahatra ny ompa sy  ozona ho an’ny mpitondra. Tokony hampiana amin’ny fikatsahana ny hahasoa ny valalabemandry ny mpitantana”, hoy ihany izy ireo.

Synèse R. 

 

Les commentaires sont fermées.