Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy fanjarian-tsakafo: miofana ireo skoto zazavavy

Tsy fanjarian-tsakafo: miofana ireo skoto zazavavy

Nanomboka, ny alakamisy teo, ny fanofanana mpampiofana nasionaly amin’ny fandaharanasa « Ankizivavy matanjaka amin’ny fanjarian-tsakafo », fandaharanasa iarahan’ny Fikambanamben’ny Skotisma zazavavy maneran-tany sy ny Nutrition International ka andraisan’ny Mpanazava eto Madagasikara anjara mavitrika.

Haharitra efatra andro ny fanofanana ny mpampiofana, mikendry ny hampita ireo tsara ho fantatra rehetra toy ny fahalalana vaovao, ny fampahatsiahivana, ny toromarika, ny torohay, ny hafatra fototra arahina fampiharana. Tanjona ny hahatomombana ny fomba fisakafoan’ny ankizivavy malagasy miisa 20 000, farafahakeliny.

Mpikatroka mavitrika manodidina ny 50 avy amin’ny lafivalon’ny Nosy, avy amin’ny fikambanana telon’ny Federasion’ny Skotisma zazavavy eto Madagasikara ny miatrika ny fiofanana ao amin’ny Fofikri Ilafy sy manome toky hampita izay voarainy amin’ny mpiandraikitra any amin’ny faritra misy azy avy.

Marihina fa sehatra iveleran’ny tovovavy sy ny ankizivavy ny Skotisma zazavavy eto Madagasikara. Betsaka ny fanabeazana tovozina amin’ireny fikambanana ireny izay tsy vitan’ny ray aman-dreny na ny mpampianatra any an-tsekoly na ny fiarahamonina.

Sady mamolavola toe-tsaina hanana fahaleovantena sy ho tompon’andraikitra no mitaiza amin’ny vatana sy ny fanahy ny fidirana amin’ny fikambanan’ny skoto.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.