Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tenisy – “Amboaran’i Afrika Aostraly”: fandresena 100% ho an’ny Malagasy

Tenisy – “Amboaran’i Afrika Aostraly”: fandresena 100% ho an’ny Malagasy

Fahombiazana tanteraka ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika Aostraly, isam-bondrona, taranja tenisy, ho an’ny Malagasy. Fandresena zato isanjato ny azon’i Madagasikara nanoloana ireo firenena miisa fito: i Angola, i Zimbaboe, i Namibia, i Afrika Atsimo, i Lesotho, i Maorisy ary i Botswana. Teo amin’ny sokajy U14 olon-tokana, nanao ny ainy tsy ho zavatra i Mahefa, i Finoana, i Maholy ary i Miotisoa nanoloana ireo mpifanandrina taminy ka samy nibata ny fandresena 2 no ho 0. Toraka izany ihany koa ny teo amin’ny lalao ho an’olon-droa, nandavoan’izy efatra mianadahy ny ekipan’i Namibia, tamin’ny seta 2 no ho 0 avy.

Nitohy tamin’ny fandresena nanoloana ny Angola ny fahombiazan’ny mpilalao malagasy, ho an’ny sokajy U16. Tsy afa-bela nanoloana an-dry Sampras sy ry Fenosoa ry zareo Angoley lehilahy ka niondrika tamin’ny seta 2 no ho 0 ihany koa. Marihina fa fotoan’ny fialan-tsasatra ho an’ny U16 vehivavy ny omaly ka tsy niakatra an-kianja izy ireo. Hiverina hilalao kosa anefa manomboka anio.

Mi.Raz

 

Valin’ny lalao, andro voalohany “par équipes”:

Olon-tokana U14 :

L: Madagasikara vs Namibia 6/0 6/0

V: Madagasikara vs Namibia 6/0 6/0

Olon-droa U14 :

L : Madagasikara vs Namibia 6/0 6/1

V : Madagasiakara vs Namibia 6/0 6/0

Olon-tokana U16 :

L : Madagasikara vs Angola 7/6 6/2

Madagasikara vs Angola 6/2 6/0

 

Les commentaires sont fermées.