Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

OHT: « Reharehantsika ny filoha tanora »

OHT: « Reharehantsika ny filoha tanora »

Niarahaba sy nirary soa ho an’ny filoha Rajoelina ny eo anivon’ny antoko Olona hasin’ny tany (OHT). « Nahazo filoha vaovao sady reharehantsika isika satria filoha tanora indrindra aty Afrika. Manana vina ho an’ny fampandrosoana », hoy ny filohany, Ratefinanahary Emile na i « Emile Vazaha », omaly tetsy Antaninarenina. Notsiahiviny ny fotokevitra ijoroan’izy ireo ny amin’ny hijerena aloha ny tombontsoam-pirenena sy ny soa iombonana. Tafiditra ao anatin’izany ny vinan’ny filoha, araka ny nambaran’ny OHT. Nanteriny fa efa filohan’ny Malagasy rehetra sady efa neken’ny mpifanandrina izy. “Naneho ny soatoavina demokratika ka tokony halaina tahaka koa ny fihetsiky ny kandidà ankilany. Nitaintaina isika ny amin’ny filaminana sy ny fitoniana. Nifampiarahaba izy ireo ka reharehantsika izany”, hoy ihany ny OHT. Niantso ny rehetra izy ireo mba samy handray andraikitra sy hitondra anjara biriky ho fiaraha-mientana ho fampandrosoana ny firenena.

Synèse R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique