Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mahamasina sy Iavoloha: voaasa amin’ny fiainian’ny filoha ireo mpitondra teo aloha

Maromaro ireo hasaina hiatrika ny fiainain’ny filoha Rajoelina ny asabotsy 19 janoary ho avy izao. Hotanterahina etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina sy eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha izany. Anisan’ireo voaasa amin’izany ireo filoha nifandimby nitondra: ny amiraly Ratsiraka sy Ravalomanana Marc ary indrindra, ny filoha farany teo, Rajaonarimampianina Hery, sady hamindra ny fahefana. Tahaka izany koa ireo avy amin’ny masoivoho vahiny miasa sy monina eto amintsika, ankoatra ireo solontena na irak’ireo firenen-dehibe ho avy eto amintsika. Anisan’ny efa ho avy, ohatra, ny eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny  frantsay. Ankoatra ireo ny eo anivon’ny Andriampankana amin’izao fotoana izao, hotarihin’ny filoham-panjakana sy ny governemanta manontolo ary ny parlemanta. Manampy izany ny eo anivon’ny Foloalindahy ary ny vahoaka malagasy. Hifarimbonan’ny HCC sy  ny ekipan’ny filoham-pirenena Rajoelina ary ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ny lanonana rehetra. Aorian’ny eny Mahamasina, hisy ny nofon-kena mitam-pihavanana sady hiarahabana ny filoha Rajoelina mivady eny Iavoloha.

Synèse R.   

Les commentaires sont fermées.