Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra any Arabia Saodita: nahatafiditra baolina indray i Carolus

Kitra any Arabia Saodita: nahatafiditra baolina indray i Carolus

Nitohy, tamin’ity herinandro ity, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Arabia Saodita, taranja baolina kitra, sokajy diviziona voalohany (D1). Anisan’ny nisongadina tamin’izany ilay Malagasy, Andriamahitsinoro Carolus, lohalaharana ao amin’ny klioba Al Adalah FC. Nahatafiditra baolina indray mantsy i Carolus, ny alarobia 9 janoary lasa teo, nandritra ny fihaonany tamin’ny Hajer Club. Nandresy tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0, ry zalahy ka teo amin’ny minitra faha-39 io baolina tokana, matin’i Carolus, io.

Marihina fa baolina fahenina tafidiny io, tamin’ny alarobia, io. Eo amin’ny laharana fahefatra ankehitriny ity klioban’ny Al Adalah FC, ilalaovany ity, izay manana isa 33. Ny ekipan’ny Al Kawkab indray no hifandona amin-dry Carolus, ny talata 15 janoary ho avy izao. Heverin’ny rehetra fa mety tsy hahasakana an-dry Carolus io ekipa io, izay any amin’ny laharana faha-15, eo amin’ity fifaninanam-pirenena arabo ity.

Tsiahivina fa ao anatin’ny heriny tokoa amin’izao fotoana izao i Carolus ary heverin’ny rehetra fa mbola herin’ny Barea de Madagascar tokoa izy amin’io “Can 2019” io.

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.