Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Filankevitry ny Tanànan’Antananarivo: “Avereno amin’ny kaominina ny Samva”

Filankevitry ny Tanànan’Antananarivo: “Avereno amin’ny kaominina ny Samva”

Heverina fa hihatsara ny fitantanana ny fako eto amin’ny Renivohitra aorian’izao fanapahan-kevitra izao. Indrindra ato anatin’ny vanim-potoana fahavaratra isika.   

Nivory, nandritra ity herinandro ity, ny filankevitry ny Tanànan’Antananarivo nanapaka ny tetobola hiasana ho an’ny taona 2019.

Nisongadina tamin’izany ny tokony hamerenana ny Samva ho eo ambany fitantanan’ny tanànan’Antananarivo.

Raha ny zava-misy amin’izao fotoana izao, misy ny fifanilihana andraikitra eo amin’ny minisiteran’ny Rano, mitantana ny Samva ankehitriny, sy ny kaominina amin’ny fanadiovana ny tanàna.

Mahazo loza amin’ny mponin’Antananarivo ny CUA amin’ny loton’ny tanàna sy ny fako tsy voaraoka kanefa anjaran’ny Samva ny manatanteraka izany.

“Tokony haverina ambongadiny aminay io Samva io hahafahanay manadio ny tanàna antsakany sy andavany”, hoy ny filohan’ny mpanolotsain’ny Tanàna, ny kolonely Andriambahoaka Faustin.

Nisongadina, nandritra ny fivoriana, ihany koa ny fanatsarana ny fampidiran-ketra izay nahitana lesoka tamin’ny taon-dasa, raha ny fanazavana hatrany. Voalaza anefa fa tsy hisy ny fampiakarana ny haba halaina na hisy aza izany fanatsarana ny fampidiran-ketra izany.

Tatiana A

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique