Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fianianana etsy Mahamasina sy Iavoloha: hanotrona ny filoha Rajoelina ny MEAE frantsay

Manao ranolava. Anisan’ireo niarahaba sy nirary soa ny filoha Rajoelina ny eo anivon’ny minisiteran’i Eoropa sy ny Raharaham-bahiny frantsay (MEAE), araka ny fanambarana, omaly. “Miarahaba amin’ny fomba manetriketrika ny filoha Rajoelina i Frantsa noho izy voafidy ho filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara. Maniry fahombiazana feno ho azy eo amin’ny fanantanterahany ny asany”, hoy ny fanambarana. Nankasitrahan’izy ireo ny andraikitra mavitrika noraisin’ny governemanta, ny Ceni ary ny HCC satria nizotra antsakany sy andavany ny fifidianana. “Maneho ny dingana fototra amin’ny fanamafisana ny demokrasia eto Madagasikara izany. Manana fifamatorana mafonja eo amin’ny tantara sy ny maha olombelona isika fa sady mpifanolo-bodirindrina koa eto amin’ny ranomasimbe Indianina”, hoy ny MEAE.

Ho avy ny solontena frantsay amin’ny fianianana

Maniry i Frantsa ny hiara-dia amin’ny filoham-pirenena voafidy sy ny vahoaka malagasy ny ady ataon’izy ireo amin’ny fahantrana, ny kolikoly ary ny hetahetany hiaina filaminana sy fampandrosoana amin’ny anaran’izany fifanakaikezana sy firaisankina izany.  Hisolo tena an’i Frantsa amin’ny lanonana fianianan’ny filoha Rajoelina ny 19 janoary izao ny sekreteram-panjakana eo anivon’ny MEAE, i Jean-Baptiste Lemoyne.

Synèse R.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique