Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanaovana saribao: tsy maharaka intsony ny ala sisa tavela

Fanaovana saribao: tsy maharaka intsony ny ala sisa tavela

Mihazakazaka ny fahapotehan’ny ala eto Madagasikara. Tsy maharaka ny filàna intsony ny tahiry sisa tavela noho ny fampiasana saribao sy kitay. Tsy ampy intsony ny hazo hanaovana saribao. Raha taloha izany, vitaina amin’ny karazan-kazo tsotra, efa trandrahina izao hatramin’ny hazo sarobidy sasany. Porofon’izany ny fahalafosan’io filàna amin’ny fahandroana sakafo io, indrindra fa amin’ny tanàn-dehibe. Eto Antananarivo, ohatra, tsy misy latsaky ny 24 000 Ar intsony ny gony.

Haingana be ny fahapotehan’ny ala, nanomboka ny taona 2005, ary tato anatin’ny 60 taona, ringana ny 44 % amin’ny ala  voajanahary, anisan’izany ireo karazan-kazo tsy fahita firy, toy ny andramena, ny voamboana, ny volombodimpoina. Koa miantso ny fandraisana andraikitry ny rehetra ny WWF, sampana misahana ny tetikasa momba ny angovo, hampihena ny fampiasana saribao sy kitay ary fitrandrahana ireny hazo sarobidy ireny, nefa tsy misy fepetra matotra ho fiarovana sy fampitomboana azy. Loza iray lehibe koa ny fivakisan’ny faritr’ala betsaka, araka ny fanadihadiana nataon’ny Cirad*.

Efa loza mihatra eto amin’ny Nosy ny fahapotehana sy ny fivakisan’ny faritra nisy ala taloha. Midika izany fa tandindomin-doza ny 90 %  amin’ny zavaboahary sy ny biby tsy fahita raha tsy eto Madagasikara ihany. Tsy vaovao intsony izao ny fanondranana an-tsokosoko ireo harem-pirenena ireo. Misy fiantraikany ratsy amin’ny mponina io fahapotehan’ny tontolo iainana io, miantoka ny fivelomany amin’ny lafin-javatra maro : fahitana sakafo, voankazo, zavamaniry fanao fanafody…

Ho fiarovana ny tany

Singa iray lehibe miantoka ny fiarovana ny tany sy ny toetr’andro ny fisian’ny ala. Avy amin’izany ny hahafahana mitroka rivotra maloto, eto an-toerana sy any ivelany. Misy ankehitriny ny tsena ho an’ny “carbone”, ifanarahana maneran-tany, hampihena ny fihanaky ny rivotra maloto. Tsy mety ritra ny rano raha voakajy ny tontolo iainana. Tsy vitsy anefa ny faritra eto an-toerana miaina amin’ny haintany sy ny hafanana ; na mitobaka loatra ny rano lasa manimba tanàna, miteraka aretina sy manapa-dalana.

Noho ireo antony ireo, maika sy tokony ho laharam-pahamehana ny fiarovana ny ala eto Madagasikara. Noho izany, mila andrafetana tetikasa lehibe ny fambolen-kazo sy ny fanaraha-maso izany hampirindra ny toetr’andro, araka ny vanim-potoany, indrindra fa ny famokarana angovo azo avaozina sy mora. Ny olana eto amintsika, raha ny filazan’ireo teknisianina, ny fitomboan’ny mponina haingana loatra ; ny fanjakana ratsy tantana ; sy ny tsy fanajana lalàna momba ny tontolo iainana.

 

R.Mathieu

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique