Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Famakiam-boky ho an’ny rehetra »: irosoana ny dingana faharoa

« Famakiam-boky ho an’ny rehetra »: irosoana ny dingana faharoa

Volana jolay ka hatramin’ny desambra 2018, tontosa ny dingana voalohany. Tratra ny tanjona. Nifanaiky ny mpiara-miombon’antoka rehetra fa hotohizana ny tetikasa « Famakiam-boky ho an’ny rehetra »…

Notontosaina, omaly teny amin’ny kaominina Itaosy, ny fifanaovan-tsonia eo amin’ireo rantsa-mangaika sy mpiara-miombon’antoka amin’ilay tetikasa « Famakiam-boky ho an’ny rehetra ». Hetsika nanamarika fa tafiditra ao anatin’ny dingana faharoa indray ity tetikasa ity manomboka izao ka tsy hifarana izany raha tsy ny 31 desambra 2019. Anisan’ny antony nahatonga izany fahavitrihan’ny mpiara-miasa rehetra izany ny nahitana fa nahatratra 500 isan-kerinandro ny mpikambana miditra sy mamaky boky any amin’ireo toerana famakiam-boky napetraka tamin’ny dingana voalohan’ny tetikasa. « Nahatratra 15 ireo « point de lecture » napetraka ao anatin’ny kaominina telo (Andranonahoatra, Itaosy, Ambohidrapeto), ka ny 13 no tena niasa nandritra iny dingana voalohany, raha ny fanazavan’Andriambao Nivo, filohan’nyAssociation Gazela, angady nananana sy vy nahitana ny tetikasa.

Nomarihiny fa anisan’ny mampiavaka ity dingana faharoa ity ny fitomboan’ireo karazam-boky hapetraka any amin’ireo toerana famakiam-boky ireo. Mahatratra 60 izy ireo ka tsy ny ankizy irery intsony no hahazo ny anjarany fa ny tanora sy ny lehibe ary ny sekoly ihany koa. Fantatra fa teto an-toerana avokoa ny nanatontosana ny famoahana ireo boky ireo. Amin’ny teny malagasy na amin’ny teny malagasy sy amin’ny teny vahiny miaraka ny nanoratana ny boky tsirairay. Anisan’ny tanjona rahateo ny hampivelarana ny kolontsaina malagasy amin’ny alalan’ny famakiam-boky. Ny 14 janoary izao, hiatrika fiofanana voalohany ireo hitazona ny toerana famakiam-boky eo anivon’ireo fokontany 15 misy ireo toerana famakiam-boky. Ny 16 janoary kosa no hisokatra ho an’ny rehetra izy ireny.

Miara-miombon’antoka sady mpiara-miasa ao anatin’izao tetikasa izao ny fikambanana Gazela, ny « Le livre aux mille zébus », ny « Solidarité avec Madagascar » ary ny « Editions jeunes Malgaches ».

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.