Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fahasalamana: nahazo foibe Carmma ny fokontany Ambohidravaka

Fahasalamana: nahazo foibe Carmma ny fokontany Ambohidravaka

Nampanatonina ny mponina ny tolotra fahasalamana hampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza tafiditra amin’ny asa fanafainganana ny fampihenana ny zaza sy reny mamoy ny ainy aty Afrika (Carmma). Vita ny toeram-pandraisana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ao amin’ny fokontany Ambohidravaka, ao amin’ny kaominina Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo, ary efa notokanana tamin’ny herinandro lasa teo. Vokatry ny fanohanan’ny masoivoho alemà sy ny ONG Madagascar Hilfe no nahazoana ny fotodrafitrasa vaovao, ahitana efitrano telo sy toerana fizarana fanafody. Nametrahana rano sy ny toeram-pivoahana koa ny toeram-pitsaboana vaovao ary manana herinaratra mandeha amin’ny masoandro. Fangatahana avy amin’ny mponina ao amin’ny fokontany ny hametrahana tobim-pahasalamana hikarakara ny vahoaka, indrindra ny reny sy ny zaza. Teo aloha, mandeha lalana 10 km vao mahita toeram-pitsaboana eny amin’ny kaominina Mahazaza raha hanao vaksiny na hisafo na hiteraka. « Ankehitriny, voavaha ny olana », hoy ny ben’ny Tanàna ao amin’ny kaominina Mahazaza, Rakotonomenjanahary Louis Firmin.

Nandray mpampivelona hampihodina ny foibe Carmma ny minisiteran’ny Fahasalamana, hanome tanana amin’ny karaman’ny mpiasa kosa ny kaominina. Nanampy tamin’ny fanorenana ny fotodrafitrasa ny mponina eo an-tanàna mpahazo tombontsoa.

« Tafiditra amin’ny fandaharanasan’ny masoivoho alemà momba ny tetikasa ny famatsiana ny fanorenana ny foibe Carmma », hoy ny masoivohony miasa eto amintsika, i Harald Gehrig.

Efa niasa ampolo taony eo amin’ny kaominina ny ONG Madagascar Hilfe tamin’ny fanorenana sekoly sy fampahazoana rano madio fisotro.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.