Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Asan-dahalo: zandary iray naratra, olona iray maty

Asan-dahalo: zandary iray naratra, olona iray maty

Nisehoana asan-dahalo tany Mahazoarivo, distrika Antsalova, ny 10 janoary teo, ka nahafatesana olona iray, ary naharatrana zandray iray ihany koa. 20 mahery tany ireo dahalo nanafika, nirongo basy, tokony tamin’ny 5 ora maraina. Lasa tamin’izany ny omby miisa 200. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ny zandary sy ny fokonolona, mbola nampian’ny miaramilan’ny Das miisa telo. Nihazo an’i Bekopaka ireo dahalo ka raikitra ny fifandonana. Teo ny nahafaty ilay olona iray voatifitry ny dahalo, nahavoa ilay zandary sy olona iray hafa tamin’ny fokonolona. Voan’ny bala teo amin’ny tongony havia ilay zandary io. Nalefa any amin’ny hopitaly Antsalova ireo. Nitohy ny fanarahan-dia ireo dahalo.

Misedra ny mafy hatrany ireo zandary sy ny fokonolona any ambanivohitra any. Heverina fa hisy ny fitaovana vaovao entina amin’ny ady amin’ny asan-dahalo, araka ny fandaharanasan’ny filoham-pirenena amin’ity taona ity ka ho foana ny asan-dahalo ary hihena ny maty sy maratra amin’izany.

Yves S.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique