Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ankazomanga: nanavotra olona, lehilahy iray matin’ny jiolahy

Nirefotra ny poa-basy teny Ankazomanga, omaly tamin’ny 11 ora sy 30 mn antoandro. Jiolahy miisa dimy nirongo basy mahery vaika no nanendaka olona nandeha fiara taxi tamin’io omaly antoandro io. Araka ny fanazavan’ireo olona nahita ny zava-nitranga teny an-toerana, somary nitohana ny fifamoivoizana ary narahin’ireo jiolahy avy aoriana ilay taxi nitondra ireo olona niharan’ny fanendahana ireto. Teo akaikin’ny fiantsonan’ny taksiborosy mankany Mahitsy, nosinton’ireo jiolahy ny poketran’ny renim-pianakaviana iray tao anatin’ilay taxi. Tamin’izay indrindra anefa no nisy lehilahy iray nandalo teo akaikin’ny toerana nitrangan’ny fanafihana ary nahita ny fihetsik’ireto jiolahy ireto ka niezaka nanohitra azy ireo. Tsy nihambahamba ny iray amin’ireo jiolahy fa nitifitra ilay lehilahy. Naratra mafy ilay lehilahy ka nitolefika tamin’ny arabe. Tsy afa-nanoatra ireo olona teo amin’ny manodidina nitrangan’ny fanafihana manoloana ny basy teny am-pelatanan’izy ireo. Lasa nitsoaka avy hatrany ireo jiolahy niaraka tamin’ny poketra. Voalaza anefa fa hoe tsy nisy vola tao anatin’ilay poketra. Nentina haingana namonjy hopitaly ihany ilay lehilahy voatifitra, saingy tsy avotra intsony ny ainy noho ny fahaverezan-dra be loatra. Tsy vao izao fa faritra mena amin’ny fanendahana sy ny fanafihan-jiolahy iny Ankazomanga akaikin’ny fiantsonan’ny taksiborosy iny. Maro ireo olona efa nitondra faisana teo amin’ity toerana ity.

J.C

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique