Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toetry ny andro: hitohy ny orana any atsimo

Toetry ny andro: hitohy ny orana any atsimo

Mbola mitohy hatramin’ny anio tontolo andro ny orana tandrifin-drahona arahin-kotroka mahery ao atsimon’ny Nosy, avy amin’ny tsiokan’ny Talio ao amin’ny lakandranon’i Mozambika. Mila mampitombo ny fitandremana ihany koa ny mpampiasa ranomasina manerana ny morontsiraka andrefana sy avaratra-andrefana satria mahery ny tafiotra sy ny orana. Foana kosa ny fampitandremana any Sambirano.

Momba ny rotsak’orana ho an’ny 7 ka hatramin’ny 13 janoary, ho antonony na ho betsaka izany amin’ny distrikan’i Nosy Be, Ambanja, Bealanana, Anosibe an’Ala, Marolambo, Ifanadiana,  Ikongo, Bekily, Ambovombe sy ny ankamaroan’ny distrikan’ny faritra Analamanga, i Vakinankaratra, Amoron’i Mania, i Matsiatra Ambony, Ihorombe, Atsimo Atsinanana ary Anosy.

Ny herinandro faharoa, ny 14 hatramin’ny 20 janoary, antonony na ho betsaka ny rotsak’orana (100 hatramin’ny 150 mm) amin’ny distrikan’Analalava, ny distrikan’Antsohihy, ny distrikan’i Bealanana, ny distrikan’Andilamena, ny distrikan’i Sainte-Marie, ny distrikan’i Mananara Avaratra, ny distrikan’i Soanierana Ivongo, ny distrikan’i Faratsiho, ny distrikan’i Betafo, ny distrikan’Ambatofinandrahana, ny distrikan’i Manandriana, sy ny distrikan’ny faritra Diana ary i Matsiatra Ambony.

Tsy ahina ny mety hiforonan’ny rivodoza amin’ity herinandro ity (7 hatramin’ny 13 janoary 2019) raha ny eto Madagasikara. Ambany kosa ny tombana mety hiforon’izany eto Madagasikara ny amin’ny faran’ny herinandro faharoa (14 hatramin’ny 20 janoary 2019).

Tatiana A

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique