Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tatitry ny zandarimaria – 2018: nahery vaika ny asan-jiolahy, olona miisa 265 maty

Nivoaka tamin’ny tatitra nataon’ny zandarimaria momba ny asan-jiolahy mitam-piadiana mahery vaika ny taona fa miisa 811 ny trangana fanafihana ka miisa 265 ireo olona namoy ny ainy vokatry ny asan-jiolahy. Miisa 420 kosa ireo olona naratra. Mitentina 2 202 131 030 Ar kosa ny sandan’ny zavatra very. Raha ny isan’ny olona voasambotra, miisa 932. Raha oharina ny tamin’ny taona 2017, betsaka ity tranga ity kanefa na izany aza, maro kokoa ireo jiolahy azo sambo-belona raha oharina ny tamin’ny taona lasa iny noho ny fanatsarana ny fomba fiasa sy ny fanajana ny zon’olombelona, araka ity tatitra ity hatrany. Miisa 19 ireo zandary lavon’ny balan’ny dahalo. Teny filamatra napetraky ny zandarimaria hatrany ny hoe “Fandriampahalemana ifotony mipaka amin’ny vahoaka”. Nohamafisin’ny Seg fa nanao ezaka maro ny zandary tamin’iny taon-dasa iny tamin’ny alalan’ny hetsika “Opération Mandio”. Nihena ny halatra omby na teo aza ireo zandary miisa 19 lavon’ny dahalo, araka ny nambarany. Nametra-panontaniana mihitsy aza ity manamboninahitra ambony eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ity hoe ny paikady ve no tsy mahomby sa misy tandrevaka? Anjaran’ny tsirairay ny mandinika. Aoka ho mendrika ny toerana homena antsika isika zandary.

Miisa 149 ny basy hita sy azo ka ny 32 amin’ireo, basy mahery vaika ary 117 kosa ny basim-borona sy vita gasy. Nahitana bala samihafa miisa 843 niaraka tamin’izany.

J.C

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique