Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taratry ny kanto: Piment Café-Bekoto sy Silo

Taratry ny kanto: Piment Café-Bekoto sy Silo

Rehefa niato kely noho ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao, miverina manomboka anio indray ny “cabaret” etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Hisantatra izany i Bekoto Mahaleo sy i Silo. Fiarahana tsy vaovao akory, ary andrasan’ny maro hatrany ny fiverenany. Samy manana ny mampiavaka azy izy mirahalahy kanefa mahay mambabo ireo mpankafy mozika rehetra tafaraka an-tsehatra.

“Glita Be”-Seho tokana any Frantsa
Mandra-pisian’ny seho “Glita Be” eto an-tanindrazana indray, tafaraka any Frantsa amin’izao fotoana izao ny ampahany amin’ireo mpanakanto. Hanatontosa “Glita Be” ao Paris ry Rija Ramanantoanina, i Luk, i Gothlieb, i Mahery, i Inah, i Lilie ary i Nini Kolibera, anio. Saika ireo hira an-gitara efa fanaon’ireto mpanakanto ireto anaty “cabaret” ihany no halahatra ho an’ireo mpiray tanindrazana any amin’io fotoana io.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique