Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kidnapping: mpiandry ala nahazoan’ny jiolahy 12 tapitrisa Ar

Kidnapping: mpiandry ala nahazoan’ny jiolahy 12 tapitrisa Ar

Tsy ny teratany vahiny ihany no misy maka an-keriny! Nisy naka an-keriny tany Isoanala, distrikan’i Betroka, ny alatsinainy teo tokony ny misasakalina, ny rangahy mpiandry ala efa misotro ronono.

Tsy fantatra ny isan’ny olona naka an-keriny, raha ny fanazavan’ny zandary. Ny ampitson’ny fakana an-keriny, nitaky vola 12 tapitrisa Ar ireo jiolahy ho takalon’ity rangahy ity. Rehefa voaloa ny vola, navotsotr’ireo olon-dratsy izy io.

Nilaza ny zandary tamin’ity raharaha ity fa tsy nahalala ny fakana an-keriny raha tsy efa votsotra ilay rangahy io. Nanokatra fanadihadiana izy ireo taorian’izay.

Anisan’ny olana amin’ny fikarohana ireo olon-dratsy hatrany ny tsy filazan’ny fianakaviana rehefa misy ny olona alaina an-keriny. Mitovy hatrany ny tranga na teratany vahiny na Malagasy.

31 ny trangana fakana an-keriny

Raha ny tatitra avy amin’ny zandary izao, nahitana 31 ny trangana fakana an-keriny tamin’iny taona iny. Niakatra io tranga io satria misy andiany roa samy hafa ireo mpaka an-keriny ankehitriny. Voalohany ny fakana an-keriny ny teratany karana mizaka zom-pirenena frantsay efa mahazatra ireo olo-dratsy. Manano sarotra ny fomba fanavotana ireo iharam-boina noho ny tsy fanomezan’ireo fianakaviany vaovao marim-pototra fa ry zareo ihany ny mifanaraka amin’ny olon-dratsy any ambadibadika any izay afenina tanteraka ny mpitandro filaminana mihitsy. Faharoa, nanova ny fomba fiasany ratsy ihany koa ireo dahalo sasany ka tsy ny omby intsony no alainy fa maka an-keriny ny teratany malagasy izy ireo sady mitaky vola ho takalonain’ireo olona tazoniny ireo. Na izany aza, nahitam-bokatra hatrany ny asan’ny zandarimaria satria nisy ireo teratany karana mizaka zom-pirenena frantsay avotra soa aman-tsara ary voavonjy avokoa ny ankamaroan’ireo teratany malagasy nalain’ny dahalo ka tsy nandoavam-bola izany.

Yves S.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique