Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Jly Camille Vital: « Tratra ny tanjona… »

Jly Camille Vital: « Tratra ny tanjona… »

Nody ventiny ny rano nantsakaina. Tratra ny tanjona amin’izao fahalanian’ny filoha Rajoelina izao. Efa nifanaraka izahay ato amin’ny Armada fa hanolotra kandidà tokana amin’ny fifidianana ka lany izy io”, hoy ny Jly Camille Vital, omaly tamin’ny resaka an-telefanonina nifanaovana taminy. Nambarany anefa fa tokony hijery ny olona mifanandrify sy hahatanteraka ny vina IEM ny filoham-pirenena vaovao. “Ilaina manana traikefa afaka hampihatra ny fampanantenana. Ilaina izany na eo aza ny favoaran’ny teknolojia amin’izao fotoana izao. Vonona hifanome tanana aminy koa izahay raha ilaina izany satria izany ny antom-pisian’ny fikambanana politika .“”Hiaraka isika” tarihiko”, hoy ihany izy. Nohitsiny fa tsy misy mahavita tena samirery izany ka tsy maintsy iarahana ny fanarenana satria tena efa latsaka anaty fahasahiranana ny vahoaka. “Hifanome tanana hijery miaraka ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny vahoaka malagasy”, hoy ihany ity praiminisitry ny Tetezamita ity.

 Nankasitraka ny fihetsiky ny kandidà Ravalomanana

Nankasitrahany koa ny fihetsiky ny kandidà Ravalomanana tamin’ny fanekeny ny voka-pifidianana, nokarakarain’ny Ceni sy ny HCC. “Midika ireny fa mipetraka ho raiamandreny izy ary demokraty koa. Ilaina rahateo ny fandalana ny demokrasia ho amin’ny fampandrosoana ny firenena”, hoy ny mpanorina ny Hiaraka isika. Nanao antso avo ny tenany ny tokony hanomezana tanana ny filoha Rajoelina amin’izao hitantanany ny firenena izao.

Synèse R.                          

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique