Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Herinaratra: mampiasa ny angovo avy amin’ny masoandro ny WWF

Herinaratra: mampiasa ny angovo avy amin’ny masoandro ny WWF

Zava-baovao! Nanomboka, ny volana novambra 2018 teo, mampiasa angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro ny fikambanana WWF ho taratra amin’ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Misy ny fiaraha-miasany amin’ny orinasa sinoa Trina Solar, nametrahana takelaka miisa 54, misintona ny herin’ny masoandro, avadika ho herinaratra etsy amin’ny birao foibeny eny Antsakaviro Antananarivo. Mahatratra 12 kwh ny tanjaky ny herinaratra azo, mahavita ny filan’ny birao amin’ny lafiny herinaratra rehetra, mampihodina ireo fitaovana rehetra ary misy ambiny aza satria tsy lany.

Mihena ny fiparitahan’ny CO2

Maro ny tombontsoa sy ny fiantraikan’ity paikady vaovao ataon’ny WWF ity. Nambaran-dRakotoarisoa Zina, tompon’andraikitra ao amin’ny WWF, fa “misy fitaovana manokana (onduleur) manome antontam-baovao mikasika ny herinaratra vokarina isan’andro. Fantatra koa ny fihenan’ny fiparitahan’ny entona karbonika (CO2). Hatreo amin’ny datin’ny 2 desambra teo, ohatra, nahatratra 53 kwh ny herinaratra novokarina, ary nilanja 37,5 kilao ny CO2 nihena. Ahazoam-bokatra mivaingana izany rehefa mitambatra ao anatin’ny taona.

Hametrahana fitaovana toy izao koa ny biraon’ny WWF iray hafa eny Nanisana amin’ity taona 2019 ity.

Njaka A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique