Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fikambanan’ny ben’ny Tanàna: « Hatao ny fitsinjaram-pahefana tena izy

Fikambanan’ny ben’ny Tanàna: « Hatao ny fitsinjaram-pahefana tena izy

« Miangavy ny filoha Rajoelina izahay ny hanohizana sy hanatsarana ny fitsinjaram-pahefana tena izy efa nampihariny fony izy filohan’ny Tetezamita », hoy ny fikambanan’ny ben’ny Tanàna eto Analamanga, amin’ny alalan’ny filohany, i Clovis Arthur, omaly tetsy Ambohidahy. Notsiahivin’izy ireo fa nahafahan’ireo ben’ny Tanàna nivelatra sy niasa  malalaka araka ny tokony ho izy izany, fony mbola praiminisitra lefitra Andrianainarivelo Hajo. « Tsy nisy fanavahana izahay mpitantana ny tanàna tamin’izany. Nahazo tohana amin’ny endriny maro samihafa ho fampandrosoana ny kaominina. Anisan’izany ny fotodrafitrasa niarahana nanangana taminy. Teo koa ny fahazoana ny fanohanana teo amin’ny lafiny vola ho an’ny kaominina rehetra”, hoy ihany izy ireo. Tokony haverina ny fomba fiasa tahaka izany ary inoan’ireto ben’ny Tanàna ireto fa efa ao anatin’ny IEM ny momba ny fitsinjaram-pahefana tena izy sy ny fanohanana ny kaominina.

Etsy andaniny, tsy azoazon’izy ireo koa ny hitantanan’ny depiote ny Komitim-paritra ho an’ny  fampandrosoana (CLD).  “Tokony hotantanin’ny olom-boafidy mpanatanteraka izany satria fantatray ny fampandrosoana tokony hatao eo anivon’ ny kaominina tsirairay misy anay. Tokony hiverenana jerena koa ny vola fanampiana ny kaominina arakaraka ny tanjany sy ny fidiram-bolany avy”, hoy ihany izy. Niarahaba  ny filoha Rajoelina izy ireo ary niantso ireo ben’ny Tanàna namany koa hiray feo fa efa vita ny fifidianana, tsy nampitovy hevitra.

Synèse R.    

Les commentaires sont fermées.