Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiahiahiana fikomiana sy fanakorontanana: nofotoran’ny zandary i Ninie Donia sy Ratsima James

Mitohy ny famotorana. Namaly ny fiantsoan’ny zandary etsy amin’ny Toby Ratsimandrava azy koa, omaly, ilay mpanakanto Ninie Donia sy ny Pr Ratsima James. Tohin’ny fanadihadiana sy famotorana ireo namany samy mpanohana  ny K25, efa natao afakomaly teny an-toerana, izao. Anisan’ny maha voarohirohy azy ireo ny fanakorontanam-panjakana sy ny hetsika tsy nahazoana alalana teny amin’ny kianjan’ny 13 mey. Teo koa ny fanivaivana ny manampahehafana na koa fanalana baraka ny mpitondra. Manampy izany ny fiantsoana vahoaka hikomy.

Vita omaly ihany ny fanadihadiana azy ireo ary andrasana ny mety ho tohiny eny anivon’ny fitsarana na tsia. Efa natao fanadihadiana nialoha azy ireo, afakomaly tao amin’ny Toby Ratsimandrava, ny mpanao gazety roa, i Rolly Mercia sy i Fidel Razara Pierre. Efa namoahana didy, tsy fahazoana mivoaka any ivelany (IST), avokoa izy ireo. Na izany aza, anisan’ny efa nahazo fiantsoana, saingy tsy nipoitra ny mpitsara sady kandidà tamin’ny fifidianana, i Fanirisoa Ernaivo. Tsy fantatra na mbola eto an-toerana na efa tafaporitsaka any ivelany, nialoha ny nivoahan’ny IST ho an’ireto mpikambana eo anivon’ny K25 ireto izy.

Randria

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique