Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Epifania: hanolotra « Akon’ny Lanitra » ny Afatra

Epifania: hanolotra « Akon’ny Lanitra » ny Afatra

Raha mahazatra any amin’ny firenena tandrefana ny mankalaza ny Noely isaky ny 25 desambra, ny alahady faharoa manaraka io kosa no hankalazan’ny tatsinanana ny fahaterahan’ny Mpamonjy. Mbola manan-danja eo amin’ny fiangonana rahateo izy io ka nantsoina amin’ny anarana hoe “Epifania”.

Hankalaza ny fetin’ny Epifania amin’ny alalan’ny seho miavaka ampitondraina ny lohateny “Akon’ny Lanitra” ny antoko mpihira Afatra eo anivon’ny fiangonana FJKM Tranovato Ambatonakanga. Fampisehoana tontosaina ny alahady 13 janoary izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro eny an-toerana ihany.

Nosafidin’ny Afatra homarihina amin’ny hira karazany maro ity vanim-potoana lehibe ity mandritra ny fampisehoana “Akon’ny lanitra”. Anisan’izany ny hira fifohazana maneho fomba iray nandraisan’ny Malagasy ny fivavahana kristianina. Ao koa ireo rivotra entin’ny mpino avy any Afrika izay mampientana ny fo sy ny fanahy.

“Efa vonona ny Afatra sy ny mpitendriny”, hoy ny tomponandraikitra. Hiorina amin’ny tenin’ny Soratra Masina manao hoe: “fa indro, Izaho nahary lanitra vaovao sy tany vaovao », Isaia 67: 17a. ny “Akon’ny Lanitra”.

HaRy Razafindrakoto

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique