Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Asa soratra sy talenta: nikolo  an’i Niravo ny Faribolana Sandratra

Asa soratra sy talenta: nikolo  an’i Niravo ny Faribolana Sandratra

Efa mametraka ny soniany eo amin’ny asa soratra, indrindra fa ny fanoratana sy fiantsana tononkalo, i Niravo. « Niditra tao amin’ny Faribolana Sandratra ny taona 1998 aho ary anisan’ny zandriny indrindra. Resy lahatra amin’ny fitiavana ny haisoratra ny antony nidirako. Tombony ny fifaneraserana amin’ireo zoky, andrarezina ary nikolokolo ny talenta, nahafahana nahazo traikefa”, hoy izy. Notanisainy ho anisan’izany ry Elie Rajaonarison, ry Lidiary, ry Solofo José… Niakarany an-tsehatra matetika izany, indrindra tao amin’ny sampana teatra ao amin’ny Faribolana Sandratra. Teo koa ny fahafehezana ny tantara an’onjampeo, niarahany tamin’i Solofo José. Ny boky niarahany namoaka tamin’i Tiavina na Randrianatoandro Sylvia sy ny fandraisany anjara tamin’ny boky eo anivon’ny Faribolana Sandratra sy ny gazety Ambioka. “Nanamarika ahy eo amin’ny asa soratra ny niakarako antsehatra voalohany, niantsa tononkalo tao amin’ny CGM. Ny filalaovana ny tantara an-tsehatra “Ziglo”…”, hoy izy.

Miavaka amin’ny fahafehezana milalao tantara

Efa mipetraka sy hain’ny mpankafy tantara amin’ny onjampeo i Niravo. Mahafehy ny toerany ao anaty tantara amin’ny hakanton’ny feony izy. Hainy avokoa ny anjara omen’ny mpanatontosa azy, toy ny renim-pianakaviana, ny tovovavy vao erotrerony. Ny feo masiaka sy hentitra na miavona… “Miavaka  tanteraka  izy”, hoy ireo mpiara-milalao aminy.

Anisan’ireo hahazo mari-pankasitrahana amin’ny lanonan’ny Faribolana Sandratra eny Tsimbazaza, anio, i Niravo.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.