Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Voka-pifidianana: niarahaba ny filoha Rajoelina ny iraisam-pirenena

Manao ranolava. Nisesy ny fanambarana fiarahabana sy firariantsoa  avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena amin’izao nahavoafidy ho filoham-pirenena an-dRajoelina  Andry izao. Anisan’izany ny eo anivon’ny Firenena mikambana  ( ONU),  ny Vondrona eoropeanina (UE), ny Vondrona afrikanina (UA), ny  avy amin’ny Sadc. Eo koa ireo firenen-dehibe toa an’i Etazonia,  Frantsa, Sina, Japon,  Grande Bretagne… “Miarahaba noho ny fahavitan’ny fifidianana tao anatin’ny filaminana  sy ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanatontosana izany izahay.  Mendrika sy manan-tantara izany… Eo anilan’i  Madagasikara hatrany ny ONU ary mba hihamafy orina anie ny demokrasia sy ny  fanajana ny zon’olombelona ary koa ny hizorana amin’ny fampandrosoana maharitra”, hoy ny sekretera jeneralin’ny ONU, i António Guterres.  Tahaka izany koa ny  avy amin’ny  UA, amin’ ny alalan’ny  filohan’ny kaomisiona, i Moussa Faki Mahamar.  “Aoka hatao laharam-pahamehana ny  fampihavanam-pirenena sy ny tombontsoa ambonin’ny firenena  ary ny fanamafisana orina  ny demokrasia”, hoy ny fanambarana.

Hitandro hatrany  ny firaisam-pirenena… 

Nanaovan’ny UA antso avo koa  ireo mpanao politika  mba hankato ny voka-pifidianana sy hanaja ny soatoavina  demokratika niainga amin’ ny safidim-bahoaka. “Aoka tsy ho any  amin’ny  herisetra  fa hitandro hatrany ny firaisam-pirenena”, hoy ihany ny  fanambarana. Ankoatra ireo, teo koa ny fiarahaban’ny Andriamanjaka Maraokanina, i Mohamed IV ny filoha Rajoelina amin’izao  hitantanany ny firenena izao. Notsiahiviny  tamin’izany ny fitsidihany sy ny nahatongavany teto amintsika, ny volana novambra taona 2016. “Firenena manana  ny maha izy azy i Madagasikara. Manana fifandraisana eo amin’ny tantara amin’i  Maraoka fony faha-mpanjaka ary mbola ao anatin’ny firahalahiana tanteraka hatramin’izao ny roa tonta”, hoy izy tamin’ny fanambarana.

Ankoatra ireo, nirary soa ho an’ny filoha Rajoelina ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Dovo Eloi Maxime sy ny mpiara-miasa aminy rehetra. Naneho ny fahavononany hiara-kiasa aminy ho fanohizana ny asa fampandrosoana ny firenena ny eo anivon’ity  minisitera ity.

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.