Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina II: saron’ny polisin’ny Fip ireo andian-jiolahy mpamaky trano

Toamasina II: saron’ny polisin’ny Fip ireo andian-jiolahy mpamaky trano

Voasambotry ny polisin’ny Fip tao Tanandava Toamasina II, ny alatsinainy 7 janoary 2019 teo ireo andian-jiolahy miisa 10 tratra teo am-pamakiana magazay fitahirizana jirofo. Efa nisy tafavoakan’ireo jiolahy ny jirofo tamina gony maromaro…

Nanararaotra ny fahanginana ireo jiolahy ka namaky ny magazay an’ny orinasa Calidus misy ireo jirofo marobe anaty gony efa vonona haondrana any ivelany. Araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, efa nisy tafavoakan’ireo andian-jiolahy ireo ny gony sasany tamin’ireto jirofo ireto kanjo tratran’ny polisy tampoka; tsy nanampo na inona na inona ry zalahy tamin’ny fotoana nahatongavan’ny polisin’ny Fip ka noraisim-potsiny. Nosamborina avy hatrany ireto jiolahy ireto ka nentina natao famotorana tany amin’ny polisy. Nohamafisin’ny polisy taorian’ny famotorana ireo jiolahy fa mpiasa ao amin’ity orinasa ity ihany no atidoha nikotrika izao asa ratsy izao ka nivadika nanao asan-jiolahy ary nitarika namana namaky ny magazay fitoeran’ireo gony feno jirofo. Efa tafaverina tamin’ny orinasa kosa ireo jirofo nokasain’ireo jiolahy hangalarina. Niaiky ny heloka vitany ireo jiolahy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Hatolotra ny fampanoavana kosa ry zalahy ireto aorian’ny famotorana ataon’ny polisy.

Tsy afa-bela amin’ny asan-jiolahy ny ao Toamasina

Matetika tsy afa-bela amin’ny asan-jiolahy tahaka izao ny ao an-dRenivohitry ny faritra Atsinanana ao. Tsy mijanona amin’ny fandrobana ihany anefa izany fa tonga hatrany amin’ny famonoana na herisetra mety hamoizana aina mihitsy. Efa manao ny ezaka rehetra hatrany ny mpitandro filaminana, ahitana ny zandary sy ny polisy saingy, mila ny fandraisana andraikitry ny rehetra ihany koa ity ady atao amin’ny tsy fandriampahalemana sy tsy filaminana ity. Tsy any an-toerana ihany rahateo ny asan-jiolahy tahaka izao fa manerana ny faritra maro, an-tanàn-dehibe sy ambanivohitra koa. Inoana fa hanana paikady sy fomba fiasa miaraka amin’ny fampitaovana ny fanjakana, manomboka izao, indrindra amin’ny fipetrahan’ny fitondrana vaovao eo amin’ny fitantanana ny firenena. Nametraka ho laharam-pahamehana ho amin’izany rahateo ny filoha vaovao.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.