Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sambava: 4.100 Ar ny kilaon’ny vary

Sambava: 4.100 Ar ny kilaon’ny vary

Manodidina ny 2.000 Ar ny kilaon’ny vary eto  an-toerana. Na izany aza, samy hafa tanteraka amin’ny rehetra ny any Sambava satria tafakatra 4.100 Ar, izany hoe avo roa heny mihoatra amin’ny salam-bidy manerana ny Nosy.

Tsy nihetsika firy ny vidim-bary tamin’iny volana desambra iny, araka ny fanadihadiana nataon’ny Foibe mpanara-maso ny vary (ODR), nivoaka farany teo. Ho an’ny vary eto an-toerana, manodidina ny 1.872 Ar ny salam-bidin’ny vary gasy iray kilao, 1.996 Ar ho an’ny makalioka ary 1.880 Ar ny tsipala. Na izany aza, mifanalavitra tanteraka amin’io salam-bidy manerana ny Nosy io ny any amin’ny distrikan’i Sambava. Mahatratra 4.100 Ar ny kilaon’ny makalioka, ny herinandron’ny 17 desambra raha efa tafakatra 4.200 Ar ny 10 desambra. Amidy 3.000 Ar/kg kosa ny vary gasy any an-toerana nandritra ireo herinandro roa voalaza ireo.

Any Alaotra irery no mora

Any Ambatondrazaka, faritra Alaotra irery ihany ny ahitana vary mora indrindra, 1.505 Ar ny kilaon’ny vary gasy, ary 1.575 Ar ny kilaon’ny makalioka. Ankoatra izay, maherin’ny 1.800 Ar (vary gasy)  hatramin’ny 2.000 Ar (makalioka) avokoa ny vidin’ny vary eto an-toerana manerana ny faritra hafa.

Ao anatin’ny maitsoahitra tanteraka izao sady fotoam-pahavaratra. Mihasarotra ny famoahana ny vokatra, indrindra any amin’ny toerana lavitra sy ratsy lalana. Manomboka miakatra, amin’izao volana janoary izao, ny varialoha eto Antananarivo (Betsimitatatra). Tsy mampiova ny vidim-bary eny an-tsena amin’ny ankapobeny ity vary ity satria tsy mivarotra ny ankamaroan’ny mpamboly, fa tazoniny hohanina.

Njaka Andriantefiarinesy

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique