Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpiantsehatra ara-panatanjahantena: vonona hiara-kiasa amin’ny filoha Rajoelina

Mpiantsehatra ara-panatanjahantena: vonona hiara-kiasa amin’ny filoha Rajoelina

Niarahaba ny filoha Rajoelina Andry Nirina, amin’ny naha voafidy azy hitantana ny firenena malagasy, ireo mpiantsehatra ara-panatanjahantena rehetra. Nambaran’izy ireo, teny Ankorondrano, omaly fa tohin’ny fanohanana efa nataon’izy ireo amin’ny maha olom-pirenena azy sy amin’ny mpitia fanatanjahantena, ny kandidà laharana faha-13, teo amin’ny fihodinana faharoa izany. Nisaotra ihany koa ireo olona rehetra, niaraka tamin’ireo mpiantsehatra ara-panatanjahantena, nanohana ny filoha vaovao.

Vonona hiara-kiasa amin’ny filoha Rajoelina, ireo mpiantsehatra ara-mpanatanjahantena ireo, satria efa nanambara ny filoham-pirenena vao lany fa hametraka ny fanatanjahantena amin’ny toerana misy azy ary afaka hifanampy amin’izay rehetra tia izany, arakaraka ny sehatra misy azy tsirairay avy.

Tsy mametraka fepetra, amin’ny filoha ny amin’izay ho minisitry ny fanatanjahantena ireo mpiantsehatra ireo. Antony, efa nilaza ny filoha Rajoelina fa mahafantatra ny hitondrana sy hanatsara ny tontolon’ny fanatanjahantena malagasy.

 

Torcelin

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique